Actualités

Fakana an-keriny karana teny Mahamasina Olona ambony no atidoha nikotrika ?


  • Zoma 05 Novambra 2010


Efatra ny jiolahy karohina momba ilay tifitifitra tetsy Mahamasina tamin'ny herinandro teo ka nahafaty zandary iray. Raha araka ny fanazavana azo tamin'ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo. Ny tena fantatra aloha dia kalachnikov miisa roa no hita, raha araka ny loharanom-baovao mitovy ihany. Momba ity raharaha ity ihany dia fantatra fa mbola misy koa ny olona nosamborina tamin'ny alarobia teo. Miisa roa izy ireo ka ny iray dia mpiasan'ilay karana saika halaina an-keriny ary ny faharoa kosa dia renin'ny iray tamin'ireo jiolahy. Hatreto dia mbola ahiana ny fisian'ny olona ao amin'ny fitondrana tetezamita ho ao ambadiky ny raharaha saingy tsy hosamborina mihitsy izy io satria anisan'ny tena andrarezina.

Fantatra anefa fa olona miasa ao aminy ny iray tamin'ireo maty. Raha ny re koa aza dia mbola voatonona koa ny anaran'io mpanao politika io nandritry ny fanadihadiana ireo voasambotra.  Fantatra koa fa nalefa eny amin'ny hopitaly ilay jiolahy voatifitra nony farany satria tsy azo niainana mihitsy ny tao amin'ny biraon'ny zandary noho ny hamaimbon'ny feriny...

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT