Actualités

FAKA Nahatsiaro ireo ankizy tetsy 67 ha


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Mahatsiaro an’ireo ankizy beazina ao amin’ny FAKA na Fikambanan’ny sekoly sy Akanin-jaza naorin-dRamatoa Céline Ratsiraka notarihan’ny Sekretera Jeneraliny,

Annick Ratsiraka, ka hanolotra ho an’ireo zaza rehetra miisa 3000 beazina ao amin’ny Ankany miisa 70 manerana ny Nosy fanomezana sy sakafo ho azy ireo. Natomboka tetsy amin’ny Akany Lovasoa etsy amin’ny 67 ha izany sady nifandraika indrindra amin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely ka notoloran’ity Fikambanana ity niaraka tamin’ny orinasam-pifandraisana Itel notarihan’ny Manager ao aminy, Atoa Damien, fanomezana isan-karazany ho an’ireo ankizy 60 tazaina ao aminy  ary hazo noely 2 ho an’ny Akany Lovasoa. Nisy ihany koa fanolorana sakafo ho azy ireo sy ho an’ny zaza miisa 30 avy eny amin’ny manodidina, mbola avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ity orinasa Itel ity ihany, izany dia ho santatry ny famerenana indray ny tetikasa “Cantine scolaire” hatolotra indray ireo akanin-jaza FAKA rehetra manerana ny Nosy toy ny natao tamin’ny  1979 nanorenanana itony akanin-jaza itony. Hoezahina hatao isam-bolana izany manomboka izao ary ketrehana hatao isan’andro mihitsy any aoriana kely any, hoy ny SG-n’ny FAKA, Annick Ratsiraka.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT