Actualités

Fahitalavitra TV Plus «Fanomezako ho an’i Toliara», hoy i Siteny


  • Alakamisy 29 Novambra 2012

Hangotraka sy hiavaka ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy ny fahitalavitra TV Plus ao Toliara, ny sabotsy izao, raha ny zava-misy sy ny fanomanana roa andro mialoha ny fotoan-dehibe no atao jery maimaika.

 Manamafy izany i Siteny Randrianasoloniaiko, mpandraharaha tanora zanak’i Toliara, sady filohan’ny KOM (Komity Olympika Malagasy) izay tompomarika tamin’ny fametrahana ity fahitalavitra tsy miankina ity ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambaran’i Siteny fa «tantara hipetraka tsy azo kosehina ary voasoratra ho an’i Toliara ny sabotsy 1 desambra 2012.  Zava-baovao ho an’ny mponin’ny Tanànan’ny Masoandro koa ny fandefasana ny fandaharana rehetra manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva amin’ny alalan’ ny «écran géant», sady fomba iray entinay hanaitra sy hanentana ny vahoaka hifoha indray «ho fanoitry ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra vokatry ny fanabeazana».

Nomarihan’ity filohan’ny federasiona malagasin’ny judo ity fa miankina amin’ny haino aman-jery ny fototry ny fivoarana. Noho izany, nataoko ho fanomezana an’i Toliara tanindrazako ny fahitalavitra TV Plus». Nanamafy izy fa tsy ilaina ny fitongilanana, fa mampihemotra ary manan-jo hitovy isika rehetra. Novaliany nahitsy sy nazava ny fanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ny resabe mandeha amin’ny maha kandida azy amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka. «Siteny efa ela no nihetsika nanasoa vahoaka sy ny mpiara-belona, fa tsy vao androany tsy akory. Dia inona no maharatsy izany, raha hampandroso ny fireneko».

Araka ny efa nitaterana azy teto amin’ny gazety dia hivantana avy any Toliara amin’ny sabotsy izao, ilay fandaharana be mpanaraka indrindra eto amintsika, dia ny «l’invité du Zoma» iandraiketan’i Onitiana Realy.

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT