Mety hoesorina ao anatin’ireo “bouquet” ao amin’ny Canalsat sy Blueline ary Parabole ireo fahitalavitra sy radio tsy miankina eto Madagasikara, raha ny siosion-dresaka re ny faran’ny herinandro teo.
Amin’izay dia ny TVM sy RNM irery izay haino aman-jery fehezin’ny fanjakana no mahenika an’i Madagasikara. Ankehitriny, na misy fahitalavitra tsy manana “émetteur” any amin’ny faritra aza dia tonga any ihany amin’ny alalan’ireo tambajotrana fahitalavitra mandoa vola. Anton-javatra maro no ao ambadik’izao, anisany ny fifehezan’ny mpitondra ny tontolon’ny serasera sy ny fanaovana ampihimamba eo amin’ny tontolon’ny haino aman-jery. Ny haino aman-jerim-panjakana hatreto no zary lasa fitaovana hanasoasoana ny mpitondra, izay lojika be satria azy ireo ny fahefana, ary ataony amin’izay azony hanaovana azy. Hatreto aloha, mbola ny fanjakana no tena manjaka tokana amin’ny fisitrahana ny TVM sy RNM na amin’ny resaka vaovao politika manokana fa tsy vaovaom-panjakana aza. Indraindray, ao anatin’ireo no ahitana fandranitana sy fanaratsiana be fahatany ny mpanao politika tsy mitovy firehana amin’ny mpitondra. Mitana anjara toerana goavana ny fahitalavitra sy ny radio amin’ny resaka propagandy, ary ireo orinasan-tserasera tsy miankina no tena azon’ny kandida mpanohitra hivalamparana. Tsy vitsy ireo mihevitra ny hirotsaka no efa manana orinasan-tserasera, ka dia mety ho kapa ranjo an-kolaka natao hamotehana ny kandida amin’ny fifidianana indray izy ity. Mazava ho azy fa ho vaovao tokana sy fanasohasoana ny mpitondra no ezahina handrakotra an’i Madagasikara, izay ho tombony lehibe ho an’ny antoko’ny fitondrana. Mifanohitra tanteraka amin’ny tetikasa TNT (Télévison Numérique Terrestre), izay ambara fa hirosoana tsikelikely ity zavatra katsahina hatao ity. Sao dia miroso amin’ny fihemorana isika ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.