Actualités

Fahazoana rano fisotro madio ho an’ny mponina Tsy tratra ny tanjona napetraky ny ministera


  • Zoma 04 Desambra 2015

Tsy tratra ny tanjona napetraky ny ministeran’ny rano ny amin’ny fahazoan’ny mponina rano fisotro madio, raha araka ny fanazavan’Andriamatoa Hamelo Solphi Joli, tale jeneraly eo anivon’ny ministeran’ny rano

 

. Raha  52 % -n’ny mponina mantsy no tokony hahazo izany rano fisotro  madio izany,  tanjona napetraka dia tsy tratra izany raha 19% kosa ho an’ny  foto-drafitrasa fahadiovana sy ny fidiovana. Na izany aza anefa dia lava-drano 272 no vita  tany amin’ny faritra Atsimo ankoatra ireo 40 vaovao hapetraka isaky ny faritra. Ny UNICEF no  mamatsy vola ny asa. Notsindrian’ity tompon’andraikitra ity manokana moa ny mikasika ny vola aloha amin’ny fividianana rano izay nambarany fa tsy vidiny fa entina hikojakojana ny foto-drafitrasa kosa. Tsy ny fisian’izany hatramin’izay mantsy no nambarany fa anisan’ny antony  nampidina ny fahazoan’ny  mponina ny rano fisotro madio.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT