Actualités

Fahatapahan’ny herinaratra Notebahan’ny Jirama ny Airtel


  • Zoma 23 Martsa 2018

Nisy fahatapahana ny tambajotra Airtel ny talata 20 martsa lasa teo, nanomboka ny maraina ka hatrany amin’ny tamin’ny 4 ora tolakandro tany ho any.

 

 Tsy nahafahan’ny mpanjifa niantso sy nandefa somaiso na “sms” izy io, fa nandeha tsara kosa ny tolotra “internt” ho an’ny mpampiasa izany. Olana ara-teknika teo amin’ny JIRAMA teny Ankorondrano no nambaran’ny Airtel fa antony. Ho fankasitrahana anao mpanjifa tamin’ny faharetana sy ny fampiasana hatrany ny tambazotra Airtel dia natao ho maimaimpoana avokoa ny fandefasana SMS mankany amin’ny laharana Airtel ny  21 martsa no sady nisy “bonus” 20% avokoa ny fahana rehetra hatramin'ny tamin’ny 12 ora alina. Nivoaka tamin’ny fahanginany kosa ny JIRAMA omaly, tamin’ny alalan-dRalaivaoalandreo Eloi, tale teknika misahana ny herinaratra eto Antananarivo.  Gaga izahay hoe ahoana izany zavatra izany. Tsy naheno ary tsy nahafantatra fa nipoaka ny “Transformateur” izahay, hoy izy. Nambarany fa tsy nisy nipoaka na olana ao aloha na aoriany, kanefa dia nolazaina fa ny “Transformateur” an’ny Jirama no olana. Tsy marina io, fa fialana bala ka tsy hay na iza no atahoran’izy ireo amin’izany. Voalaza fa an’ny orinasa tsy miankina fa tsy an’ny Jirama ny “Transformateur” ampiasain’ny Airtel. Misy zavatra hafahafa amin’ity resaka ity, ka andrasana izay mety ho fanazavana hafa indray avy amin’ny Airtel.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT