Tokony hihena ny fotoana lany amin`ny fikarakaran`ny antotan-taratasy any amin`ny sampandraharaham-panjakana.
Tokony hihena ihany koa ny isan`ny taratasy takiana. Tokony maneho ny fe-potoana sy ny vola aloan`ny mpanjifa ireo peta-drindrina rehefa hanao raharaha izy ireo; izany no ambetin-dresaky ny olona mikarakara taratasy amin’ny rafitra sy sampan-draharaham-panjakana maro. Mifanohitra amin`izany tanteraka no mitranga ankehitriny satria noho ny fahavesaran’ny taratasy fanamarinana takiana sy ny somary fitarazoan’ny fomba fiasa noho ny tsy fahampian’ny olona sy ny fitaovana ary ny birao fiasana dia mitombo ny fivezivezena sy filaharana amin`ireny biarom-panjakana ireny. Tokony tsy hisy ny kolikoly raha toa ka fantatry ny olona mialoha hoe aiza no alehany, ary tsy maharitra ela loatra ny fotoana laniny raha miditra amin`ny sampan-draharaha iray izy. Tsikaritra anefa fa io fahavesaran’ny taratasy ilaina sy ny rafitra an-tanan-tohotra tsy maintsy arahana io no miteraka ilay “fametrahana kely” na fanomezana vola ny mpanao taratasy ataon’ireo izay maika; izay ilay antsoina hoe kolikoly. Misy ny peta-drindrina manetana ny olona handà ny kolikoly saingy ny zava-misy kosa toa mandrisika azy hiditra amin’ny kolikoly; mila fanndinihana lalina sy paikady vaovao avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny Bianco io, raha tsy izany dia resa-be fotsiny ilay hoe : “ady amin’ny kolikoly”
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.