Mahatratra efatra amin’ireo olona 250 ka hatramin’ny 300 isa isam-bolana tonga manao fitiliana ny aretina SIDA etsy amin’ny Centre de Santé Integre BMH Isotry no fantatra fa mitondra ny otrik’aretina VIH/SIDA eto amintsika
, raha araka ny fanadihadiana natao. Ekena hoy ny dokotera Rabeson Hervé tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana fa mihena ireo olona tonga manao fitiliana raha oharina tamin’ny taon-dasa saingy na izany aza betsaka ireo olona fantatra fa voa. 17 taona no zandriny indrindra fantatra fa voa tamin’ity taona 2015 ity raha 62 taona no zokiny indrindra izay efa namoy ny ainy. Tsy handoavam-bola ny fanaovana fitiliana, hoy hatrany ity dokotera ity. 15 minitra aorian’ny fanaovana fitiliana ihany koa dia vita ny asa ary mijanona ho tsimbaratelon’ny CSI sy ilay olona marary ny aretina. Nomarihin’ity dokotera ity manokana moa fa efa misy ny fikambanana mandray an-tanana ireo olona voan’ny SIDA ao amin’ny tobim-pitsaboana iadidiany raha tian’ilay olona izany. Efa hananan’izy ireo rahateo ny dokotera manokana misahana ny aretina SIDA. Ny lehilahy moa no betsaka indrindra voan’ity aretina ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.