Nisy ny atrikasam-pirenena momba ny tontolo iainana sy ny toetr’andro izay notontosain-dry zareo avy eo anivon’ny vondron’ireo tanora nanolo-tena hirotsaka ho amin’izany na ilay antsoina hoe Gasy youth up tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly.
Nosalorana ny anarana hoe “Connect climate” ny tetikasa ary ny banky iraisam-pirenena no mamatsy azy ary efa nisy tetikasa nialoha lalana azy io moa 9 volana lasa izay, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, Lana Razafimanantsoa. Nitsiry ny hevitr’ireto tanora ireto ka namondrona ireo sehatra tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana miaraka amin’ireo fiarahamonim-pirenena, indrindra ny tanora mitovy aminy mba hiara-kientana ho fanavotana ny nosy manoloana ny fivadibadihan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Hita ho marefo indrindra i Madagasikara noho izy nosy, hoy ny fanazavana, ary misy etona mahatonga hafanana izay tsy maintsy ahena. Be tanora eto amintsika saingy tsy ampy ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’izay resaka tontolo iainana izay. Ho an’ny rehetra ny fandraisana andraikitra fa tsy ny siantifika ihany ka anton’izao tetikasa izao, hoy ny fanazavana, ary mbola fotoana ahafahana manavotra izao. Miisa 150 teo moa ireo olona nandrasana tamin’ity atrikasa ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.