Actualités

Fahapotehan’ny JIRAMA Andry Rajoelina no tompon’antoka voalohany


  • Talata 20 Febroary 2018

Anisan’ny nanaitra ny sain’ny maro ny fanambaran’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina tamin’ny fanazavana ilay vinany IEM (Initiative Emergence Madagascar) tamin’ny fahitalavitra maromaro. Niezaka nandresy lahatra ary namoaka tarehimarika maromaro i Andry TGV sady nanao fampitahana an’i Madagasikara tamin’ny firenena hafa.

 

Nandokadoka ny fomba fitantanana tamin’ny tetezamita izy ary nanome tsiny mafy ny fitondrana amin’izao. Mampanontany tena ny maro kosa hoe: fa angaha moa tsy mbola tarazon’ny fanapotehana sy ny fanonganam-panjakana nataony ny fahantrana mangitsokitsoka iainana amin’izao ?  Tarehimarika ara-toekarena maro no nitotongana taorian’ireny fanimbana zavatra maro notarihiny ireny izay tsy noresahana mihitsy tahaka ny fahaverezan’asa, fihenan’ny fahefa-mividy, fahatapahan’ny famatsiam-bola, fahapotehan’ny orinasa maro. Raha tsy hiresaka fotsiny afa tsy ny orinasa JIRAMA isika, ohatra, ny taona 2005 dia miiba 98,5 miliara ariary ny vokatra ara-bolan’ny orinasa JIRAMA  (résultat financier) mialoha ny nanaovana famerenana amin’ny laoniny azy (redressement). Ny faran’ny taona 2008 kosa dia miabo 38,6 miliara ariary ary 103 miliara be izao ny tao amin’ny kitapom-bolan’ny JIRAMA ny volana mey 2009. Rehefa nandray ny fitondrana Rajoelina sy ny ekipany tamin’ny tetezamita dia dedaka nampidina 10 % ny vidin-jiro sady namerina ny fampidirana jiro (Branchement) ho fanambatambazana ny vahoaka ary nanomboka tsy niraharaha ny fanarenana ny orinasa na amin’ny lafiny ara-bola na amin’ny lafiny ara-teknika. Vokatr’izany dia nidina 84 miliara ariary ny vokatra ara-bolan’ny JIRAMA tamin’ny taona 2010, ny faran’ny taona 2015 aza moa dia nitotongana hatramin’ny 300 miliara ariary. Araka izany, ny fitondrana tetezamita no tompon'antoka voalohany tamin’ny fampikorosoana fahana ny JIRAMA izay mbola nitohy hatramin’ny taona 2017 ary marihana fa ny fampiakarana ny vidin-jiro izay mampikaikaika ny Malagasy amin’izao fotoana izao dia fanentsemana ny voka-dratsy noho ny fitantanana tsy mahomby nanomboka ny taona 2010.

 


 

 

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT