Actualités

Fahantrana eto Madagasikara Sakana amin’ny fisitrahana ny zon’olombelona


  • Alatsinainy 07 Desambra 2015

Homarihana ny alakamisy 10 desambra izao ny faha-67 taonan’ny Fanambarana manerantany iombonana momba ny zon’olombelona. Anisan’ny hankalaza izany isika eto Madagasikara ka hisantaran’ny komity mpikarakara ny fikaonandoha eo anivon’ny «

 

Groupe de travail sur les Droits de l’Homme» sahady mandritra ny 2 andro eny amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha ny famelabelarana arahina adihevitra mikasika ny «Ady amin’ny fahantrana : ny kere any Atsimo». Firenena voasokajy ho anisan’ireo tena mahantra manerantany i Madagasikara ka mila ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fandrosoana vahaolana sy soso-kevitra. Sakana amin’ny fisitrahana ny zon’olombelona eto amintsika mantsy ny fahantrana tsy ahafahana manatontosa ny andininy voalohany sy faharoa milaza ny zo hiaina na ny andininy faha-25 momba ny zo hisitraka fiainana mendrika. Fanoitra lehibe hamongorana ny fahasahiranana manjo ny fiarahamonina Malagasy ny fanehoana firaisankina avy amin’ireo mpisehatra samihafa toy ny mpitondra fanjakana, ny masoivoho ary ny firaisamonim-pirenena. Ohatra fototra azo iaingana ilaina vahaolana avy amin’ny sokajin’olom-pirenena amin’izany ny mosary iainan’ny mponina any Atsimo, araka ny fanazavan’ny maître Raoera Chandoutis. 


Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT