Teren’ny fiainana noho ny kibo tsy mba lamosina sy ny fitadiavana mahazaka maniraka, dia hadino tanteraka ny henatra sy ny vavan’olona ary miaritra ny fofona maimbo manempotra.
Lalim-paka ny fahantrana, mitombo isa hatrany saika isan’andro ny olona tsy an’asa sy sahirana ara-pivelomana mitsimpona fako ao Toliara. Ny ankamaroan’izy ireo dia ankizy tsy ampy taona tokony ho any an-tsekoly, nefa manampy sahady ny ray aman-dreniny amin’ny fitadiavana maka sy manangona ireo « sachet » sy poti-tsaribao ary entana hafa azo avadika ho vola hividianana sakafo. Zara raha mahazo 400 ariary isan’andro ny mpitsimpona fako iray amin’ny zaoridira. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitsindroka fako sendra anay omaly, dia misy mividy ireo harona tsy lena (sachet) voaangona ary ny poti-tsaribao kosa hahandroana sakafo. Mirohotra ny olona raha vao tonga ny fiaraben’ny kaominina manary fako ary nisy mihitsy ny niady, toy ny tranga omaly maraina tao Tsongobory toerana fanariam-pako iray avaratry ny tanànan’i Toliara. Misy maka hatramin’ny sakafo masiso efa simba.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.