Actualités

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety Tokony hijerena lalàna iraisam-pirenena, hoy Rabelaolao


  • Alakamisy 20 Jolay 2017

Anisan’ireo zokibe nametraka ny dian-drantsany efa ho 30 taona izao tao anatin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety i Jessy Rabelaolao ary efa nisedra antsojay maro, raha ny fitantarany.

Manahirana ny « fahalalahana » apetraky ny fanjakana. Herinandro, tamin’ny fotoan’androny, no sempotra vokatry ny fanafihana tamin’ny etona mandatsa-dranomaso ny vady aman-janako teny an-tranoko teny Ambohipo ary mbola mitovitovy amin’izay no mitady hahazo an’i Fetra Rakotondrasoa Ankehitriny, hoy izy. Raha nisy lahantsoratra mikasika olona iray tao anaty gazety frantsay Canard enchainé dia ilay olona nosoratana no voaantso teny amin’ny tribonaly fa tsy ilay nanoratra. Na tsaho aza dia azo lazaina ho vaovao fa anjaran’ny fitondrana no mandiso na manamarina azy. Tokony hojerena koa ny lalàna iraisam-pirenena rehefa misy toy izao ary ny lalàna mipetraka ihany koa tsy tokony hanakana ny zo fototra, hoy izy.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT