Actualités

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety Mbola adihevitra ny eto Madagasikara


  • Zoma 04 Mey 2018

Nomarihina omaly alakamisy 3 mey ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ka tany Toamasina no ivon’izany ho an’ny teto Madagasikara, ary efa nanomboka ny 2 mey ny hetsi-panamarihana.

 Nitarika ny lanonana tany an-toerana moa ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason sy ny avy eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety na ny OJM miara-dalana amin’ny filoha Gérard Rakotonirina. Notokanana nandritra izany ny tsangambato nanamarihana azy io, izay tsetsatsetsa tsy aritra no hilazana hoe nisy ny fahadisoana teo amin’ny soratra, hany ka voatery notakonana sy niverenana nolalorina. Nanolotra  fitaovana ara-teknika sy informatika ho an'ny Foibem-paritry ny Serasera sy ny Fifandraisana amin'ny Andrim-panjakana eto amin'ny Faritra Atsinanana moa ny minisitra Harry Laurent Rahajason. Raha ny filaharana iraisam-pirenena, dia faha-54 amin’ny 180 isika izao eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety raha faha-57 teo aloha. Mbola adihevitra lehibe ity resaka fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ity, indrindra fa taorian’ny namoahan’ny mpitondra ny lalàna tsy nampitovy hevitra, ny resaka fizarana karatra maha matihanina,… Mitana anjara toerana goavana eto amin’ny firenena ny asa fanaovan-gazety, ary voaporofo ny maha hery lehibe faha-4 azy. Izay ve no mety ho antony mampisongadina sy mahatonga ny mpanao gazety ho misy tendrena na voafidy amina toerana ambony hatrany ? Tsikaritra aloha fa atahorana sy tiana hogejaina izy io, indrindra fa misy ireo manelingelina ny mpitondra. Firifiry moa ny orinasa fanaovan-gazety tsy havela hisokatra eto fa ny an’ny fanjakana kosa malalaka.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT