Nanao tatitra ankapobeny momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety manerantany ho an’ny taona 2017 ny RSF (Reporter Sans Frontière).
Misongadina amin’izany fa i Norvezy, Soeda ary Finlandy no firenena telo voalohany malalaka indrindra ny asa fanaovan-gazety. Aty Afrika indray dia i Namibia no voalohany raha toa ka laharana faha-24 manerantany no misy azy. Laharana faharoa i Ghana, izay faha-26 manerantany arahin’i Cap-Vert faha-27 manerantany. Any amin’ny laharana faha-31 manerantany no misy an’i Afrika Atsimo, faha-39 i Frantsa. Faha-44 i Comores ary faha-13 any aorianany izany hoe : faha-57 manerantany no misy an’i Madagasikara amin’io fahalahan’ny asa fanaovan-gazety io. I Korea Avaratra no firenena mihidy indrindra manerantany, laharana faha-180 sady farany, raha fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety no resahina. Tamin’ny tatitra nataon’ny RSF io koa no nahitana fa nisy fihenany ny isan’ny mpanao gazety sy ny mpampahalala vaovao namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany tamin’ity 2017 ity. Raha nisy 79 izy ireo tamin’ny 2016 dia 67 tamin’ity taona ity, ka tany Syria ny 12 tamin’ireo, 11 tany Meksika ary tany Irak ny 8. Mbola mahatratra 316 kosa ireo mpanao gazety any am-ponja hatramin’izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.