Actualités

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety Nihemotra toerana 40 i Madagasikara


  • Alarobia 14 Jolay 2010

Hatramin’ny faramparan’ny taona 2008 dia zary lasa fitaovana fanaovana fampielezan-kevitra, famoahana vaovao diso ny sehatry ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

Ilay tatitry ny fanadihadiana nataon’ny Reporters sans Frontières (RSF) nampitondrainy ny lohateny hoe : «Suspensions, saccages et désinformation : les médias au cœur de la crise" no namariparitany fa mandalo krizy ihany koa ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Teo ny fampiatoana, ny fandrobana, ny herisetra, ny fanagadrana natao ny mpanao gazety sy ny haino aman-jery sasany. Araka ny fanadihadiana dia nihemotra toerana 40 i Madagasikara raha ny laharana eo amin’izao tontolo izao, tamin’iny taona 2009 iny. Miezaka mitady izay fomba hametrahana tontolo vaovao, madio eto ny RSF. Efa nisy ny fihaonany tamin’ireo ambaratonga isan-tokony saingy hatreto aloha dia tsy mbola nahitam-bokany izany. Namaranany ny fanadihadiana ifotony nataony, dia takian’ny RSF amin’ireo mpitondra ny hanaovana sata vaovao momba ny fifandraisana mandritra ny tetezamita, izay hanohana ny fahaleovantenan’ny asa fanaovan-gazety, hiantoka ny fiarovana ireo mpanao gazety. Mangataka amin’ny lehiben’ny mpanelanelana, Joachim Chissano ihany koa ny RSF mba hitaky amin’ireo ankolafy ny finiavan’izy ireo hanaja ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, eo koa ny fanohanan’i Frantsa ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, ny hanajan’ireo mpanao gazety ny etika sy ny hasin’ny asa fampahalalam-baovao, hanalavitra ny fampielezan-kevitra sy ny fombana hevitra ary koa ny fiantsoana ho amin’ny herisetra. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT