Henjana ny serasera ampiasain’ny fitondram-panjakana hoenti-mivoy sy miresaka, fa tena nitady vahaolana mba hampidinana ny vidim-bary tokoa ny mpitondra.
Raikitra ny fandokadokafana isan-karazany fa 1580Ar tokoa ny kilaon’ny vary eny amin’ny tsenan’Anosibe. Misy mihitsy ny fanambazana ireo orinasan-tserasera sasany hisian’ny “tam tam” be amin’ny fivoizana io resaka fidinan’ny vidim-bary io. Rehefa tena mijery eny ifotony kosa anefa dia ny teo ihany no teo, mbola lafo ny vary. Misy koa ny mody mametaka ny vidiny fa rehefa anontaniana tsy misy akory. Ny toerana maro eto Antananarivo dia efa tsy mitovy amin’io eny amin’ny tsenan’Anosibe io, mainka fa ny any amin’ny faritra sasany lavitry ny renivohitra. Lalaovina any amin’ny resaka serasera sy fampitam-baovao sisa ny vono afo momba ity fidangan’ny vidim-bary ity. Tsy misy mandiso ny resaka fisian’ny fandraisan’andraikitra, fa kosa tsy mipaka velively any amin’ny rehetra izany, fa ny resabe fotsiny no betsaka. Maro no mitaraina ankehitriny satria efa tena tsy zaka, mahatsapa tena ho nahavita ny adidiny anefa ny mpitondra. Tsy filam-boatsiary na fitia te hanamaivana ny ambaran’ny mpitondra fa fandraisan’andraikitra nataony, saingy miandry izay tena vokatra azony tsapain-tanana ny olona, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Ny minisitera sy ny sampandraharaham-panjakana isan-karazany, dia samy mizarazara zavatra hoenti-miatrika fety fa mba manao ahoana kosa ny sarambabem-bahoaka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.