Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny tatitry ny praiminisitra izay natao ny alarobia teo mikasika ilay filazana fa niakatra 4,2% ny harin-karena sy ny hoe voafehy ao anatin’ny 6,7% ny fidangan’ny vidim-piainana omaly ny minisitra teo aloha, Tabera Randriamanantsoa, raha naira-nitaky tamin’ireo namany ny hisian’ny mari-karama tokana amin’izay fa tsy ho boriboriana amina isan-jato lava izao intsony tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina.
Lainga na tatitra diso, hoy izy, no azon’ny praiminisitra raha nilaza fa voafehy ny vidim-piainana. Izy no mety hanaterana iaorta sy dibera any an-tranony isan’andro dia ny azy angamba no voafehy, hoy ity minisitra teo aloha ity, fa raha ny any aminay fotsiny izao raha 700.000 ariary teo ho eo ny omby iray teo aloha dia efa mahatratra 1.200.000 ariary izany ankehitriny. Any amin’iny faritry Sava iny dia efa 50.000 ariary ny vidin’akoho iray, hoy izy, raha tsy hilaza afa-tsy ireo fotsiny.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.