Actualités

Fahafatesan’i Mamy Rakotoarivelo Hametraka fitoriana ireo zanany


  • Alarobia 02 Aogositra 2017

Mifamahofaho tanteraka ny raharaha nahafaty ny Filohan’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha Mamy Rakotoarivelo.

Tsy mbola misy rahateo ny valiny ofisialy tamin’ny fizahana ny razana. Mivoaka kosa anefa ny resaka fa nahitana mangana ny vatany, ary nisy diana fanakendana ny tendany, ka andrasana izay fanamarinana na fandisoana izany avy amin’ny mpitandro filaminana. Raha ny vaovao mivoaka amin’izao fotoana izao kosa, dia hametraka fitoriana eny amin’ny manam-pahefana ireo zanany satria ahian’izy ireo ho vono olona efa voaomana ny nahafaty ny rainy. Izao dia tsy mahatoky hoe namono tena I Mamy Rakotoarivelo, hoy kosa ny Minisitra ny asam-panjakana teo aloha Tabera Randriamantsoa. Feom-basy in-droa ve dia izany no hoe namono tena? Tsy dia mino izany aho, hoy izy. Raha tany an-dafy ireny, dia halalinina ny fikarohana ary mipoitra ny marina satria na ireny zava-nisy tamin’ny “facebook” ireny aza azo hamboarina. Tsiahivina kosa fa nisy ny fampihantsoana mpanao gazety nataon’ilay tovovavy antsoina hoe Corrine Asmiël na Andrianivoson Tiavina Corinne, izay voalaza fa sakaizan’i Mamy Rakotoarivelo, saingy nihemotra tamin’ny ora farany, ka iraka no nalefa niala tsiny. Tsy fantatra mazava kosa izay zavatra saika hambarany, saingy heverina fa mety ho isan’ny loharano hivoahan’ny marina momba ity raharaha ity ny tenany. Miparitaka any anaty tambajotram-pifandraisana “facebook” kosa ny resaka amin’izao, fa rain’io tovovavy io ilay nirahany nihaona tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Falda Antanimena ny alatsinainy teo, kanefa ity farany tamin’io fotoana io fa namany ary iraka fotsiny. Misafotofoto tanteraka ny raharaha, ka miandry izay ho tohiny ny rehetra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT