Actualités

Fahafatesana zandary teny amin’ny FIGN Mpanao politika maro niarak’ory


  • Talata 25 Mey 2010


Ny tolakandron’ny sabotsy 22 mey teo dia tonga nanome voninahitra, niombon’alahelo sy niondrika teo anoloan’ny vatana mangatsiakan’ny Zandary kilasy ambony, Rawilson Victor Bernard teny amin’ny tobin’ny Hery Vonjy Taitra (FIGN) Fort Duchesne, ny Profesora Zafy Albert, Atoa isany Fetison Andrianirina, Tabera Randriamanantsoa, Miandrisoa Marcel, Révérend Andrimanampy na “Satrobory” sy ny mpanao politika maro niara-niombona alahelo tamin’ny fianakaviana.

Taorian’ny fampaharezana ny fianakaviana dia nisy lanonana ara-miaramila fanomezam-boninahitra ny maty nialoha ny nanaterana azy any am-pasan-drazany ao Ambohimanambola. Ny nahagaga tamin’ity dia ny maraina no natao teny amin’ny Toby Ratsimandrava ny fanaovam-beloma ilay zandary avy ao main’ny FIS lavo teny Fort Duchesne. Notronin’ny filohan’ny FAT mivady mihitsy moa izy io. Nomena mari-boninahitra mihitsy izy tamin’io. Ny tolakandro ny an’ny teny amin’ny FIGN saingy fanaovam-beloma tsotra no natao ity farany. Sa ve ilay voalohany niaro ny fitondran’i Andry Rajoelina ? Izay angamba !
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT