Actualités

Fahadisoan’ny tarehimarika sy tsipelina Fanombohana ny halatra amin’ny fifidianana !


  • Talata 13 Febroary 2018

Niteraka resabe ny fivoahan’ny sorabola midangana mikasika ny tsenam-panjakana tamin’ny taona 2016 nivoaka tao amin’ny tranonkalan’ny Sampandraharaha misahana izany dia ny ARMP.

  Voasoratra fa 158 261 323 819,40Ar ny filan’ny Hopitaly CHU ao Tambohobe Fianarantsoa, 7 186 000 000Ar vidina piesy sy saran’ny fikojakojana ny fiaran’ny DPSP ao amin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka … Notsotsorina tamin’ny fahadisoana momba ny firaketana an-tsoratra na “saisie”. Boriboriana eo ny resaka hoe hojerena ny mety nahatonga an’io. Iza no nanao ilay fandikana an-tsoratra tamin’ny solosaina ? Iza no nampiditra ny zavatra ambara fa tsy voamarina tany anaty tranonkala ofisialy ? Iza no lehibe nanome alalana ? Tsy vao izao fa efa nanomboka tany amin’ny fahatapahan’ny karaman’ny mpiasam-panjakana maro be ny toy izao. Fanazavana tsy maharesy lahatra no betsaka ataon’ny manampahefana, izay toa manaporofo ny lainga marivo tototra. Hatrany amin’ny seraseran’ny filoha sy ny tatitra momba ny fampitam-baovaon’ny fiadidian’ny repoblika, filankevitry ny minisitra sy governemanta no feno diso isan-karazany raha tsy hilaza afa tsy ny tsipelina, izay manaporofo ny petatoko efa ho lava. Omaly izao dia nisy karazany telo ny fampitam-baovao momba ny filankevitry ny minisitra, izay nalefa mailaka (e-mail) tamin’ny 3 ora tolakandro sy 23 minitra, tamin’ny 3 ora sy 32 minitra, ary tamin’ny 4 ora sy 16 minitra ny ambara fa tatitra tena izy. Tsy mbola nisy teto angamba ny toy izany hatramin’izay, eny fa tamin’ny andron’ny tetezamita nosokajiana ho fitondrana tsizarizary aza. Inona no hitranga eto amin’ny fifidianana raha hilaza koa ny CENI hoe nisy nifamadika kely ny tarehimarika na diso ny tsipelina momba ny voka-pifidianana ? Ho vitavita ho azy tahaka ny miseho ankehitriny ve raha hiampy 000 ny isam-baton’ny kandida iray any amin’ny firaketana an-tsoratra na koa hifamadika ho lasa 21000 ny 12000 ohatra. Vitavita ho azy ny hadisoana mihoapampana. Mety ho efa fanahy iniana hanomanana ny sain’ny olona hanaiky fahadisoana sy ny halatra bevava tian-katao amin’ny fifidianana ihany koa anefa.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT