Nosantarina halina tamin’ny alalana rindran-kira fiderana ny fankalazana ny tsingerintaona faha-68 nahaterahan’i Marc Ravalomanana.
Izy sy ny fianakaviany ary ireo namana akaiky no nanatrika izany teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra. Kanto ny seho tamin’ny alalan’ireo hira 14 natolotry ny Amboarampeo Fjkm Tranovato Faravohitra. Nambarany tamin’ny teny fohy fa nisy fotoana izy irery no niatrika ny tsingerintaona nahaterahany tany an-tsesitany tany Afrika atsimo. Tena mafy tamiko izany, hoy izy. Nieritreritra ny tenako fa rehefa tafaverina eto Madagasikara aho dia hankalaza izany amin’ny fomba maredona miaraka amin’ny fianakaviana sy ireo olona akaiky ahy, hoy izy. Faly aho fa notanterahanareo androany ny nofinofiko. Nisaotra ny Amboarampeo Faravohitra nizara hafaliana i Marc Ravalomanana. Fony aho tsy teto an-tanindrazana no efa naniry mafy ny hahita sy handre ny feon'izy ireo mihira fiderana an'Andriamanitra. Faly ny fo, ravoravo ny fanahy, mahery ny saina ankehitriny, hoy izy ary ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.