Actualités

Faha-50 taonan’ny fahaleovantena Tsy dia nahasarika olona firy ny fanokafana


  • Alatsinainy 21 Jona 2010


Raha atao indray mijery dia nangingina ihany ny fanombohana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena ny sabotsy lasa teo. Karnavaly nitety ny renivohitra ary niainga teny amin’ireo boriborintany enina moa no notanterahana tamin’izany, nahitana mpanakanto, fikambanana maro, mpianatra ary olon-tsotra. Tamin’ny mitatao vovonana no samy niainga tamin’ireo toerana efa nifanomezany avy ny isaky ny boriborintany. Nisy avy eo ny diabe niarahana teny Antanimena, Soarano, Analakely, ary dia raikitra ny fampisehoana hiragasy sy vakodrazana teo amin’ny Esplanade Analakely sy teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo. Nitotorebika ihany koa ny teny Anosy sy ny manodidina tamin’ny alalan’ireo «podium» sy fanentanana maro samihafa. Nihetsika mafy tokoa ary nanao izay tratry ny heriny ny fitondrana tetezamita sy ny kaominin’Antananarivo renivohitra tamin’ity fanokafana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena ity, saingy tsikaritra ho tsy dia nanintona olona firy izany, ary tsy maro mpanaraka ny karnavaly. Ny olona rahateo moa nanararaotra ny andro sabotsy tsy fiasana hitadiavana izay hanin-kohanina. Hanomboka amin’ity herinandro ity ireo fampisehoana nambara fa goavana, nanasana manokana mpanakanto avy any ivelany, fampisehoana izay samy tsy misy handoavam-bola avokoa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT