Actualités

Faha-5 taonan’ny fikambanana Rarivato Hatomboka amin’ny lanonam-pikoranana eny Mahazo ny 24 jolay


  • Zoma 12 Jona 2015

Hankalaza ny fahadimy taonany ny fikambanana Rarivato na RAssemblement sans RIVAlité du Tout manana ny firafitra « Ny kely tohan’ny lehibe. Ny lehibe hidin’ny kely” amin’ity taona 2015 ity.

Lanonana ho hafanain’ny artista maro avy any Fianarantsoa eny amin’ny “Espace Vahina” eny Mahazo ny 24 jolay ho avy izao no fanombohana izany. Ambohipihaonana lehibe hifankahitana indray ity atao ity toy ny nihaonana farany tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina tamin’ny janoary taona 2010. Hisy koa ny fotoana hanovozana tsirin-kevitra vaovao hanatsarana ny asan’ny fikambanana mba ho fampandrosoana ny faritra Fianarantsoa sy Madagasikara manontolo amin’io andro io. Be ny resaka nandeha, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana, Pr Rafanomezantsoa Roger Marie, nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Mahazo omaly, niaraka tamin’ireo mpandrindra avy any Amoron’i Mania sy avy any Matsiatra ambony, fa hoe natory elabe ny fikambanana. Tsorina, hoy izy, fa ny niseho haino aman-jery  no tsy nataonay fa ireo rantsa-mangaika sy avy amin’ny faritra maro manerana ny nosy toa an’i Toliara, Fianarantsoa, Antsirabe, Antananarivo, SAVA … dia tsy nitsahatra nanao asa avokoa toy ny fampianarana fahazoana permis de conduire, informatika, taranja maro eny amin’ny oniversite sy ny maro hafa… Raha tsiahivina, hoy ny Pr Rafanomezantsoa Roger Marie dia maka endrika fiangonana ny tarigetran’ny Rarivato ka raha tonga ao am-piangonana ianao dia adinoina daholo izay rehetra mety mampiavaka sy mety mampifanolana fa ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fangataham-pitahiana aminy no atao vaindohan-draharaha. Tsy misy valaka amin’izany ny an’ny Rarivato ka ny fampihavanana sy ny fampandrosoana no banjinina fa izay tsy mahay sobiky mahay fatram-bary.

Ntsoavina Evariste

SARY : Mpikambana Rarivato teny Mahazo omaly

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT