Actualités

Fadintseranana Nohavaozina tanteraka ny “Siteweb”


  • Alarobia 02 Septambra 2015

Nohavaozina tanteraka ny tranonkalan’ny fadintseranana. Nitombo 70 % tamin’ny teo aloha ireo karazana vaovao sy fampitam-baovao hita ao anatiny, hoy ny tale jeneraliny Rabenja Eric ary voakasika avokoa ny rehetra

 

. Ho an’ny olon-tsotra, ohatra, dia efa hita ao anatin’izany ny momba ny fifindra-monina eto an-toerana na any ivelany, ny fanafarana fiara na entana hafa … Toraka izany ihany koa ny fanampim-baovao ho an’ireo mpianatra manao fikarohana eny amin’ny anjerimantolo, ny resaka fanafarana entana ho an’ireo mpandraharaha na koa ny fanalefahan-ketra ankoatra ny vaovao avy eto an-toerana sy any ivelany azon’ny rehetra jerena. Omaly no nampahafantarana tamim-pomba ofisialy amin’ny alalan’ny www.douanes.gov.mg. ka ny amin’ny fiteny frantsay sy anglisy no nanaovana azy. Izany no natao dia entina hanomezana fahafaham-po ny rehetra ialana amin’ny filazana fa ny fadintseranana no manao lalàna ho azy manokana no sady hisian’ny mangarahara ihany koa. Mikasika ny fampiharana hatrany ny teknolojia avo lenta dia fantatra fa manomboka amin’ny faran’ny taona 2016 dia tsy hisy fampiasana taratasy intsony ny mikasika ny famoahana entana fa amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny mailaka sy tabelle na solosaina avokoa. Hotokanana ny 24 septambra ho avy izao ny birao voalohany hanatanterahana izany. Nomarihin’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana ihany koa fa tsy hisy intsony ny duty free manomboka amin’ny fiandohan’ny taona 2016 ho fanatsarana ny fampidiran-ketra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT