Actualités

“Face ŕ face” tao amin’ny Radio Haja Niboredika ny ben’ny tanŕnan’Antsirabe


  • Alatsinainy 20 Febroary 2017

Nahaliana ny mpanara-baovao tao Antsirabe ny adihevitra nivantana tamin’ny haino aman-jery, Radio Haja Antsirabe nifanaovan’ny mpanolotsaina sy ny Ben’ny tanŕnan’Antsirabe ny harivan’ny zoma 17 febroary lasa teo.

 

Azo lazaina fa niboredika ihany ny Ben’ny tanànan’Antsirabe Razanakolona Paul nandritra ilay fifanatrehana tamin’ireo solontenan’ny mpanolotsain’ny tanàna. Resaka maromaro no nangatahan’ireo mpanolotsaina narahina antso an-tariby nataon’ny mpihaino toy ny tany eny Ambohimanarivo sy Andranobe, ny manodidina ny karaman’ny mpiasa, izay efa 7 volana tsy voaloa ankehitriny, kanefa nambarany matetika tamin’ny haino aman-jery fa efa vitany. Niaiky anefa ny tenany fa tsy mbola vita tokoa ilay izy. Nambarany fa nandritra ny nitondrany no naloany fa hangatahiny any amin’ny fitodram-panjakana ireo trosan’ny mpitantana teo aloha. Nangatahan’ny mpanolotsaina fanazavana ihany koa ny manodidina ny fananganana ilay « Guichet Unique », niarahana tamin’ny fandaharan’asa Matoy izay tsy nazava ny tombam-bidiny sy ny fananganana azy, izay nitombo an-dalana ny drafitra nefa tsy nampahafantarina ny  mpanolotsaina. Teo ihany koa ny nanomezana olona iray handraharaha amin’ny fampiasam-bola « vola plus », kanefa tsy misy fampahafantarana ny mpanolotsaina. Niboredika sy niolakolaka  ary miafina ao ambadiky ny resaka fampandrosoana ny tanàna foana ingahy  Ben’ny tanàna tamin’ireo tsy fanarahan-dalàna nataony. Nambarany fa tsy afaka hiandry ny fanarahana « procédure » ny tenany fa maika amin’ny fampanantenana nomeny ny vahoaka ka tsy maintsy mitady ny fomba hampidirana vola. Nodiany fanina moa ny momba ny kaontin’ny banky izay nambarany fa kaonty efa teo kanefa dia nolavin’ny BMOI, hono, ka tsy maintsy nanokatra kaonty hafa indray nampidirana ny vola azo tamin’ny Cotona. Fa anisan’ny nanaitra ihany koa ny nanakianan’ny Ben’ny tanàna ny Gazety Tia Tanindrazana ho namoaka avy hatrany ny vokatry ny latsa-baton’ny mpanolotsaina tamin’ny fampiatoana azy ny ampitson’ny fivoriana, satria efa nisy mantsy ny antso nataon’ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny kaominina mba tsy hamoahan’ny mpanao gazety ny vokatry ny latsa-bato aloha saingy ny Tia Tanindrazana ihany no sahy namoaka vao namoaka indray ny hafa, ka angamba tsy zakan’ny vavonin’ny ben’ny tanàna ny nahanfataran’ny maro izany ary ny ampitson’iny no nanaovany  ilay fanambarana fa tsy neken’ny prefektiora sy ny minisitera ilay fampiatoana. Raha ny tsilian-tsofina re dia efa niainga tao amin’ny prefektiora ilay tatitra nataon’ny mpanolotsaina amin’ny fampiatoana ny ben’ny tanàna ary niakatra amin’ny ambaratonga any ambonimbony any ka ho hita eo ny tohiny.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT