Actualités

Exode Urbain eny Soaniedanana RN 4 Vonoina fa tsy maty intsony hoy ny Hafari Malagasy


  • Sabotsy 14 Aprily 2018

Mitohy hatrany f atsy mihemotra ilay tetikasa “Exode Urbain” tanterahin’ny Hafari Malagasy eny Soaniedanana-Bevomanga Pk 67 RN 4, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Rafanomezantsoa Jean Nirina, na dia tsy teo nandritra ny 1 taona sy tapany aza aho noho ny antony efa fantatra.

 

 Mitohy ny fikarakarana kara-tany sy “titre” eny an-toerana, hoy izy, ka efa miitatra be ny tanàna. Mitohy ny tsena isaky ny andro zoma eny an-toerana ary mitohy ihany koa ny fananganana ny fiangonana. Ambohi-pihaonan’ny mpitsangatsangana sy ireo tompon-tany teny amin’ity tanàna vaovao ity tamin’ny alatsinain’ny Paka farany teo. Mbola misy ihany anefa ny olana vitsivitsy mianjady eny an-toerana izay ilana fiaraha-miasa amin’ny fanjakana dia ny fanaganana fotodrafitrasa toy ny sekoly sy toby fiterahan’ny vehivavy sy “poste avancée-n’ny zandary”. Be ny mponina te hanana tany eto Madagasikara, hoy Atoa Jean Nirina, ary mafy ny zava-nosedrain’ny Hafari tamin’izany nefa tanteraka izany rehefa misy ny firaisankinan’ny rehetra. Vonoina fa tsy maty intsony ity tetikasa Exode Urbaina Hafari ity, ho izy

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT