Mitakizina ao anaty haizina ankehitriny ny tanàna vaovao fifindramonina ao anatin’ny tetikasa Exode Urbain izay tetikasa tarihan’ny Hafari Malagasy.
Nisy nanimba ny alarobia alina 13 mey lasa teo ny gropy mpamokatra herinaratra any amin’ny toerana ity ary nangalariny ihany koa ireo piesy maromaro tao aminy. Hatreto, hoy ny filohan’ity fiarahamonim-pirenena ity dia olona iray aloha no efa tratra nanao izany ankasoparana izany ka mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny manampahefana aminy. Karazana sabotazy tsotra izao amin’ny tetikasa izao ataon’ny fahavalom-pandrosoana izao, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.