Actualités

Ets Gallois-Toamasina Najifan’ny jiolahy ny Ar.100 tapitrisa karaman’ny mpiasa


  • Alarobia 22 Septambra 2010

Maro ny fepetra efa napetraka tao Toamasina renivohitra hiadiana amin’ny asan-jiolahy tao ho ato izay, fa hita ho mihantsy mpitandro ny filaminana mihitsy ireo jiolahy.

Ankoatra ny fitaovam-piadiana dia mampiasa fitaovana toy ny moto “scooter” izy ireo, ary manao izay tiany hatao mihintsy. Nisy indray ny nilasibatr’izy ireo omaly talata tokony tamin’ny 09ora sy sasany maraina tao amin’ny Boriboritany Anjoma.

Notafihin’ny jiolahy mirongo kalaky sy basy poleta ny “Etablissement Gallois” tamin’io. Very tamin’izany ny vola mitentina 53 tapitrisa ariary, izay voalaza fa nalaina hanefana ny karaman’ny mpiasa amin’ity faran’ny volana septambra ity. Io talata 21 septambra io no tokony handoavana io karama io araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny orinasa. Narefotr’ireo jiolahy ny basy nentina nampatahorana ny mpiasa nakana ny vola be tao anatin’ny fiara avy nakana izany tany amin’ny banky BNI. Nanapoaka basy in-droa miantoana indray koa ireo jiolahy rehefa nifanenjehana ka namparatra ity vazaha frantsay miasa ao. Voa teo amin’ny tananany izy.

Niantefan’ny balan’ilay basy poleta napoakan’ireto jiolahy koa ny fiara nentiny sy ny mpamily azy. Araka ny fanazavana azo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia fito lahy no nanatanteraka ity fanafihana mitam-basy ity ka ny telo niambina tamin’ny basy kalaky ireo mpiasa nitangorona haka karama teo am-bavahady, ny roa niambina ny mpiasa teo ivelan’ny birao ary ny roa ambiny naka ny vola tao anatin’ny fiara 4x4 nisy ny sakosy feno vola avy any amin’ny banky. Nandritra ny fanenjehana no tavela teny an-dalana ny scooter roa raha nianjera izy ireo. Dia an-tongotra no nitsoahan’ny efa-dahy nihazo ny fokontan’Androranga sy Tanamborizano ary Morarano manodidina ny Z.E.S araka ny vaovao azo ihany. Nahitana finday tao anatin’ilay scooter, ka miainga amin’izay ny fanadihadiana rehetra mikasika ity raharaha ity, izay nambaran’ny polisy fa misy mpanome vaovao avy ao anatiny matoa fantatry ny jiolahy ny fisian’ity vola be ity.

Endrika iray ity tranga ity fa tsy milamina ihany koa ny ao Atsinanana ao na dia misy aza ny ezaka manokana izay ataon’ny mpitandro ny filaminana izay manao “opération coup de poing” ihany koa amin’izao fotoana izao. Toa mitovy amin’ny eto an-drenivohitra ihany...

Rakoutou – r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT