Actualités

Ets Gallois Maty voatifitra ireo nandroba ny 100 tapitrisa ariary


  • Zoma 24 Septambra 2010


Raikitra ny fifanenjehana izay niafara tamin’ny fahafatesan’ireo roalahy izay tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana ny Ets Gallois ao Toamasina. Afak’omaly alina no nitrangan’izany tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Mbola niaraka tamin’ny basy ny iray tamin’ireo jiolahy, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Raha tsiahivina dia vola mitentina 100 tapitrisa ariary no azon’ireo jiolahy izay nandeha scooter tamin’ity fanafihana ity ary tsy nisalasala ny nitifitra.

Nihazo ny elakelan-trano izay misy lalam-pasika izy ireo nony avy eo dia tsy hita intsony. Nitohy hatramin’ny farany anefa ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana «Saka Mainty» izay manao ny hetsika fampandrian-tany rahateo amin’izao fotoana izao. Hita ihany ny fieren’ireo jiolahy. Raikitra ny fifampitifirana izay niafara tamin’ny fahafatesan’ireo roa lahy. Raha tsiahivina dia efa nidina tany an-toerana ny polisin’ny FIP avy eto an-drenivohitra, iray volana lasa izay, mba hampandry ny tanàna. Nisy tokoa ny vokatra tamin’io saingy nisy koa ny polisy voatifitra...

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT