Actualités

ESSVA Antsirabe Nanofana mpianatra 1331 tao anatin’ny 15 taona


  • Alatsinainy 13 Aprily 2015

Nanome voninahitra ny lanonana fanokafana ôfisialy ny faha-15 taonan’ny Sekoly ambony tsy miankina ESSVA ao Antsirabe ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, ny sabotsy lasa teo.

 


 

Nasongadin’ny Lehiben’ny governemanta tamin’ny lahateniny fa nataon’ny Filohan’ny repoblika ho zavadehibe ny fampianarana sy ny fanofanana araka ny voarakitra ao amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana sy ny drafitra nasionaly fampandrosoana. Nambarany fa mifandraika amin'ny vinan’ny Filohan’ny repoblika « Madagasikara firenena mandroso sy mahomby »  ny politikam-pampianarana mikatsaka ny tsara hatrany ao amin’ity sekoly ambony tantanan’ny finoana katolika ity. Ary notsiahivin’ny praiminisitra fa ahitana taratra ny fisian’ilay fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny ESSVA, satria tsy andraikitry ny fanjakana irery ny fanofanana sy fanabezana ho amin'ny fampandrosoana ahazoan’ny rehetra tombontsoa sy maharitra.Tsiahivina fa tanora malagasy avy amin’ny lafy valon’ny nosy sy tanora avy amin’ireo firenena rahavavy no mandranto fianarana ao amin’ny ESSVA, izay efa namoaka mpianatra 1331 hatramin’ny niorenany, tanora manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny serasera sy fanaovan-gazety, électro-mécanique, écotourisme, ny fitantanana, momba ny fandraisam-bahiny ary momba ny Siansa sy teknikan’ny fanabeazana.Ankoatr’ity lanonana ity dia nitsidika ny seranam-piaramanidina ao Antsirabe koa ny delegasiona notarihin’ny Praiminisitra.Anisan’ireo nnatrika ity lanonana tany amin’ny ESSVA ity ihany koa ny masoivohon’i Etazonia eto amintsika Atoa Robert T Yamate.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT