Actualités

ESGN Moramanga Mpianatra ho zandary 201 lahy naseho ambany faneva


  • Alarobia 05 Mey 2010


Naseho ambany Faneva ny zoma 30 aprily tao amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena Moramanga teo no ireo zatovolahy miisa iraika sy roanjato. Folo herinandro no nanomezana azy ireo ny fiofanana fototra maha miaramila. Nambaran’ireo nandray fitenenana rehetra fa ny Zandary dia natao hiaro ny Andrimpanjakana, ny vahoaka sy ny fananany. Taorian’ny matso lehibe nataon’ireo mpiofana, ny jeneraly Manankay Augustin, Lefitra voalohan’ny Kaomandin’ny zandarimaria sy ny kaomandy lehiben’ireo sekoly, ny kolonely Ralaizafy Jean Marie, ary ny Kaomandin’ny sekoly sy ny fiofanana, kolonely Rabearintsoa Charles dia nidinika sy nitafa tamin’ny fianakavian’ireto zatovolahy ireto. Foinareo ho an’ny fianakavian’ny zandary ny zanakareo, hoy izy ireo, koa tsofy rano mba ho tafita hatramin’ny farany. Nomarihin’ireto manamboninahitra tompon’andraikitra ireto ihany koa fa ny zandary dia tsy natao ho fialokalofana, fa natao hiasa sy hanompo vahoaka, koa aza alahelovana izay sendra voairaka ho any Bokelaly sy Tampolo na Andilamena … Natao handeha any an-kodahoda ny zandary, hoy ihany izy ireo.

 Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT