Nanao antso avo amin’ireo namany sady efa noraisina ho tahaka ny ray aman-dreniny mba hanampy azy noho ny aretina mikiky azy i Eric Rakotoarimanana (Eric Fou Hehy).
Hafatra izay niparitaka nanomboka omaly hariva tamin’ny tambajotran-tserasera facebook. Tena vola be no ilaina amin’ny fitsaboana ny aretin’ny voa izay mahazo azy ka nidirany ao amin’ny Hjra nanomboka ny 24 aprily. Noteneniny manokana Atoa isany Fienena Richard, Laisoa Jean Pierre na Jaovato, Maharante Jean de Dieu, Tinoka Roberto, Briand Andrianirina mivady, Siteny Andrianasoloniako ary Mbola Rajaonah. Mpanao politika, tompon’andraiki-panjakana ambony, olona samy manana ny maha izy azy izy ireo ary heverina fa tsy manana olana amin’ny fanampiana an’i Eric. Efa maro no nitondra ny anjara biriky saingy tsy mbola ampy ny eo am-pelatanana. Mba jereo aho, vonjeo aho fa ho faty eto ka ho kamboty ireo zanako ary ho lasa mananontena ny vadiko, hoy i Eric Fou Hehy, izay hita ho mbola matanja-tsaina tsara na dia tsikaritra efa reraka ihany aza.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.