Actualités

EPP Antandrokomby Anosizato andrefana Saika tsy nety niala ireo traboina sasany


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Saika tsy nety niala ireo traboina sasany natoby tetsy amin’ny EPP Antandrokomby Anosizato Andrefana, indrindra fa ireo nipetraka tao amin’ny trano natokana hianaran’ny préscolaire.

 Omaly maraina vao tazana nangoron’entana  niala tao izy ireo, traboina vokatry ny  firodanan’ny trano nipetrahany tao amin’ny fokontany Antandrokomby. Ny sefom-pokontany ao an-toerana  mihitsy, raha araka ny fantatra no nanentana azy ireo tsy nitsahatra ny amin’ny tokony  hitadiavany trano  hahafahan’ny mpianatra miverina mianatra. Omaly vao niroso tamin’ny asa fanadiovana ny tranon-tsekoly ny  tompon’andraikitra ho fitandroana ny fahasalaman’ny mpianatra. Raha tsiahivina, nahatratra dimy ireo trano nianjera tao Antandrokomby nandritra ny fandalovan’ny rivodoza AVA.  An-jatony kosa ireo tratran’ny rano, antony nahafeno traboina ny EPP Anosizato Andrefana. Na izany aza anefa dia efa  afaka namonjy ny toeram-ponenany tamin’ny herinandro avokoa ny ankamaroan’izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT