Nanatanteraka fanampiana mpianatra amin’ny fampidirana an-tsekoly azy ireo ny depioten’i Madagasikara Andriamasimanana Auréline avy any Ambatondrazaka.
Tany amin’ny EPP Amboasary Gara Alaotra Mangoro no niantefan’ny safidiny tamin’ity noho ny fitarainan’ny fikambanam-behivavy maro amin’ny fahasarotan’io fampidiran’ny mpianatra io. Noho ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny tokony hampiana-janaka no antony. Na ny 5 000 na 10.000 Ar ho saran’ny fampidirana ireo zanany amin’io Epp io aza mantsy dia tena nananosarotra tanteraka. Ray aman-drenin’ny mpianatra 400 isa teo no nampian’ity solombavambahoaka ity. Nampanantena izy fa hisy “cours de français” maimaimpoana hataon’ireto mpianatra ireto noho ny fahatsapana fa ambany ny fari-pahaizan’izy ireo amin’io taranja io. Manana fahasahiranana ara-drano koa ity Epp Amboasary Gara ity nefa manana “cantine scolaire” ka hanamboarana lava-drano eo an-tokotanim-pianarana. Efa mandeha ny asa ankehitriny. Amin’ny maha filohan’ny vaomieran’ny fanabeazana azy dia nitaraina koa ireo mpampianatra Fram any an-toerana. Nolazain’ny depiote fa efa mandeha ambaratongany ny fijerena azy io miainga any amin’ny Cisco ary harahany maso.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.