Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tany Abidjan –Cote d’Ivoire ny fihaonana an-tampony faha-5 eo amin’ny vondrona eoropeanina sy ny vondrona afrikanina izay haharitra roa andro.
Horesahana manokana ny toeran’ny tanora eo amin’ny fampandrosoana ary hohalalinina kokoa ny momba ny fanabeazana sy ny asa. Ny talata hariva teo no efa tonga tany an-toerana ny filoha Hery Rajaonarimampianina miaraka amin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Henri Rabary Njaka sy ny minisitry ny varotra Chabani Nourdine. Kihon-dalana lehibe amin’ny fanapahan-kevitra horaisina ity fihaonana any Abidjan ity, folo taona aty aorian’ny nametrahana paikady iombonana teo amin’ny roa tonta. Tanora 36 mianadahy avy aty Afrika sy avy any Eoropa no handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony miaraka amin’ireo filoham-panjakana ary hitondra ny hevitr’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny lahadinik’ity fihaonana an-tampony eo amin’ny vondrona eoropeanina sy afrikanina ity ihany koa ny filaminana sy fandriampahalemana, fitantanana firenena, ny demokrasia, ny zon’olombelona, ny fifindra-monina, ny fampiasam-bola sy ny varotra, ny fanabeazam-boho ny fahaiza-manao ary ny famoronan’asa. Marihina fa tanora latsaky ny 25 taona ny 60%-n’ny mponina aty Afrika. Andrasana anio izay fehin-kevitra sy fanambarana iombonana aorian’ity fihaonana an-tampony ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.