Mitaraina ny mpitatitra amin’ny zotra rezionaly mampitohy an’Antananarivo amin’Ambatolampy fa dia manodidina ny 6000Ariary na sarandalana mpandeha telo no lany hanomezana kely ny mpandrindra ny fifamoivoizana vao miainga eny amin’ny Fasan’ny Karana, hatrao Ambatolampy, manaraka ny lalam-pirenena faha-7.
Zara raha misy fanamarinana na ara-dalàna na tsia ny taratasin’ny fiara fa dia filam-banona tsotra izao no setriny raha tsy mandrotsaka kely, hoy ireo mpamily izay velom-panontaniana hoe fandrindrana ny fifamoivoizana tsy hisian’ny loza ve no atao amin’ny lalam-pirenena sa fanangonam-bola ? Vola tsy misy rosia. Mba mirotsaka any amin’ny kitapom-bolam-panjakana sa mankaiza ny vola amin’ireny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.