Amin’izao ankatoky ny fetin’ny Paska izao dia hita eny rehetra eny indray ny karazan-tsakafo lany daty toy ny hena am-bifotsy, menaka, biskoitra sy vatomamy, paty...
Ahitana izany avokoa manomboka amin’ny mpivarotra amoron-dalana sy toeram-pivarotana lehibe sasany, ka hanairana ny tompon’andraikitra fa mety hitera-doza amin’ny fahasalamam-bahoaka raha tsy misy ny fanapahan-kevitra hentitra amin’ny fandraofana haingana azy ireny. Ifandrobahana mpanjifa milendalenda, satria mora vidy sy atao varo-boba. Ny tena loza, hatramin’ny fanafody tsy fanta-piaviana ary misy amin’izy ireny no lany daty. Hatramin’ny entana lany daty dorana aza mbola misy mandroba. Tsy ampy ve ny fanaraha-maso sa goragora ny fampiharana ny lalàna sa ny fahantrana no lalim-paka loatra.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.