Nisokatra omaly tetsy amin’ny sekoly ambony ENS ny andiany faharoa amin’ny herinandron’ity sekoly ity.
Nampahafantarina tao anatin’izany y mombamomba ny sekoly izay mamolavola mpianatra mpikaroka mananika ny 1400 isa. Notoloran’ny fanjakana mari-boninahitra ireo mpampianatra sy mpandraharaha nahavita be teo amin’ny sekoly. Anisany ny minisitry ny fanabeazana teo aloha, Manoro Regis, izay nahazo ny Grand croix de 2 ème classe. Nomena mari-pankasitrahana manokana avy amin’ny sekoly sy ny Telma kosa ireo mpampianatra nanitatra ny fisotroan-drononony ka tsy nijanona raha tsy izao efa tsy afaka mampianatra izao intsony. Anisan’ireny ny mpanabe Ratrema William sy ny zokiny indrindra izay efa 73 taona tamin’ireo 10 mianadahy dia ny Dr Andriatsilavo Seth.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.