Ho fanampiana ny fiangonana sy ireo orinasa rehetra amin’ny sehatra tsy miankina na ireo vondrom-bahoakam-paritra mampiasa ECD dia nanao hetsika manokana ny CNaPS antsoina hoe « enim-bolan’ny CNaPS », tolotra nanomboka ny 1 janoary lasa teo ary tsy hifarana raha tsy ny 30 jona 2018 izao.
Nambaran’Andriamatoa Rasoanaivo Didier talen’ny fenitra sy ny fikarohana eo anivon’ny CNaPS fa ny orinasa rehetra maneho fahavononana handoa ny latsakemboka tsy voaefa hatramin’izay dia foana avy hatrany ilay tatao 10%. Fa tsy maintsy kosa ilay orinasa manefa ny latsakemboky ny telovolana diavina. Azon’ny mpampiasa atao ny manatona avy hatrany ny biraon’ny CNaPS akaiky azy indrindra na aiza na aiza toerana misy azy mandritra io « enim-bolan’ny CNaPS » io, hoy hatrany ity mpikambana amin’ny toniam-pitantanan’ny Tahirim-pirenena ity. Etsy an-kilan’izay kosa dia mitohy ny fiaraha-miasan’ny CNaPS sy ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) momba ny maha zava-dehibe ny fiahiana ara-tsosialy, ka nahazo ny anjara fiofanany ny synodam-paritany Avaratrimania nandritra ny komitin’ny Synodam-paritany faha-66 natao tany Mandoto ny 6 hatramin’ny 14 febroary 2018 lasa teo. Nahatratra 250 ireo mpiofana nahitana ny avy amin’ny sampandraharaha marobe eo anivon’ny FLM, ny fileovana, ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny famokarana. Tsara homarihana fa ny volana oktobra 2017 no natao ny sonia fiaraha-miasa teo amin’ny FLM sy ny CNaPS mba ho fitsinjovana ireo mpiasam-piangonana, indrindra ireo efa misotro ronono.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.