Actualités

Emmo-Reg Toamasina Aza ampidirina amin’ny resaka politika ny asanay !


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010


Ho fiarovana ny orinasam-panjakana SPAT sy ny fananam-panjakana eo anivon’ny seranan-tsambo ary ireo mpiasan’ny MICTSL nanolo-tena ny hiverina hiasa, dia niditra an-tsehatra ny Emmo-Reg araka ny fandaminan’ny OMC Toamasina, baikom-panjakana rahateo ny famerenana ny fanokafana ny seranan-tsambo mba tsy ho kenda roroka ny toekarena malagasy sy ny mpandraharaha. “Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany, indrindra ny fananam-panjakana ny Emmo amin’izao andraikitra raisiny izao”, hoy ny mpitandro ny filaminana. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa “resaho izay politika tian’ny mpahay izany atao, fa aza ampidirina amin’izany izahay mpitandro ny filaminana, fa izay ihany no manimba zavatra eto amin’ny firenena. Tsy mahay mipetraka sy mametraka ny toerana misy azy ny mpanao kobaka am-bava”. Nahitana ireto mpitandro ny filaminana ireto noho izany ny ivelan’ny seranan-tsambo sy ny teny anatiny, omaly, handaminana ny mety hisian’ny fikorontanana ataon’ireo mpiasa mbola mitokona amin’ireo mpiasa manomboka miasa.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT