Fiara tsy mataho-dalana roa miampy Jeep iray feno miaramila mirongo basy no tonga teny amin’ny fonjan’Antanimora ny misandratr’andron’ny alakamisy 03 jona.
Nifanojo indrindra tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo lohandohany mpanao politika avy amin’ny ankolafy telo Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana nikasa hamangy ireo gadra politika ny fahatongavan’izy ireo teny, somary nanao be fiavy ihany. Hendratrendratra ny olona nahita azy ireo teny an-toerana. Tao ireo velom-panontaniana hoe : “hisy fisamborana mpanao politika angaha ety Antanimora ?”, raha nahita ireto Emmo-Reg ireto, satria dia tsy mahazatra ny fisian’izy ireo eny. Nanazava moa ny mpitarika azy ireo fa dia fepetra raisina manokana ho fisorohana izay mety hitranga toy ny savorovoro sy fanamafisana ny fiambenana ny fonja no nahatongavan’izy ireo teny Antanimora. Tetsy an-kilan’izay dia nifanaretsaka koa ny mpitsikilom-panjakana. Tsy lavitra eo rahateo ny misy ny tobin’ny hery vonjitaitran’ny Polisy. Teo anatrehan’izany dia niato nandritra ny ora iray teo ny famangiana tao Antanimora omaly. Tsy niala teny ireo miaramilan’ny Emmo-Reg ireo raha tsy efa lasa koa ny delegasionin’ny ankolafy telo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.