Miaramila, zandary sy polisy avy ao amin’ny Emmo-Reg tamina fiarabe 10 sy fiara 4X4 telo, no niantsona teo afovoan’Analakely omaly tontolo andro.
Niaraka tamin’ny basy sy ny fitaovana ilaina amin’ny fanaparitahana olona sy fitandroana ny fandriampahalemana izy ireo. Efa vao maraina tamin’ny 7 ora tany ho any no tonga ny andiany voalohany tamin’izy ireo, tsy nisy afa-tsy fiarabe 3 no teo. Nony fantatra fa hivoaka ny tolakandro eny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra ny governemanta vaovao, dia nitombo isa ny miaramilan’ny Emmo-Reg natoby teo analakely. Tsy nisy ny savorovoro sy ny korontana. Ireo mpanohitra ny HAT koa anefa tsy nanana fandaharam-potoana ny hidina an-dalambe teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ny fahitana azy dia fampisehoan-kery sy fanatanterahana ilay tenin’ny praiminisitra hoe tsy hisangisangy sy tsy handefitra amin’ny mety ho fihoaram-pefy intsony, taorian’ny raharaha FIGN ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, no antony naha maro an’isa ny mpitandro ny filaminana niambina an’Analakely sy ny manodidina omaly. Nifangaro tamin’ny mpitsangantsangana sy ireo mba nanala azy tamin’ny alatsinainin’ny pentekosta izany ny Emmo-Reg, ary nisy mihitsy aza moa ny mpitsangantsangana sy ny miaramila niaraka naka sary nandritra izany, mba hatao fahatsiarovana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.