Olana fototra eto Madagasikara ny sehatry ny fotodrafitrasa. Nijanona niaraka tamin’ny Repoblika voalohany tamin’ny taona 1972, ohatra, ny fanorenana ireo trano fonenana ho an’ny mponina.
Miteraka korontana eo anivon’ireo kaominina manerana ny nosy ny havitsian’ireo toeram-pivarotana. Mampifanome tsiny ireo olom-boafidy ifotony sy ny fanjakana foibe ihany koa ny tsy fikojakojana ireo lalam-pirenena ara-potoana mandalo ao amin’ny tanàn-dehibe. Antony nahatonga ny mpitantana ny renivohitr’i Betsimisaraka hanao ho laharam-pahamehana manomboka izao ny fananganana irony antsoina hoe «cité» na trano fonenana iombonana miaraka amin’ny fanamboarana tsena lehibe ahitana tranoheva sy varotra talatalana, hoy ny Ben’ny tanànan’i Toamasina Elysé Ratsiraka. Tsy hisahana ny fiadidiana ny lafiny ara-pitantanana ny kaominina loatra intsony moa ny tenany fa hitodika tanteraka amin’ny fanatontosana ireo fampanantenana nataony tamin’ny vahoaka dia ny fanatsarana ny endriky ny tanàna sy ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina, araka ny fanazavany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.