Actualitテゥs

Ekipan地y CENI teo aloha Namela trosa 3.400 tapitrisa Ar ho an地y CENIT


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2012

溺ino aho sy ny minisitry ny atitany fa milamina ny olana sy ny disadisa ary ny lonilony, teo amin地y CER sy ny CED ary ny lehiben地y Distrika teo aloha�, hoy Rtoa Atallah B饌trice filohan地y CENIT raha namarana ny fandaminana ny ady 杜angatsiaka� teo amin地y mpiasan地y ministeran地y atitany sy ny rantsamangaikan地y CENIT.

 Nandritra ny roa andro, ny alakamisy sy ny zoma teo nanaovana fampivondronana tao Toamasina, dia saika “fampihavanana” ireo lehiben’ny Distrika sy ny mpiara-miasa aminy tamin’ireo ekipan’ny CER sy ny CED no tena natao. Nisy hatrany mantsy ny fivoriana nisaraka izay samy nifanazavan’ny ekipan’ny CENIT sy ny ekipan’ny ministeran’ny atitany ny andraikitry ny olony avy ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana. Ilay fifanaraham-piaraha-miasa vita sonia ny 16 mey 2012 teo amin’ny CENIT sy ny ministeran’ny atitany, no tena niompanan’ny fifanazavana hialana amin’ny fifanitsahana sy ny fifampitsabahana andraikitra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Henjana ny tsikera sy ny fifanazavana nifanaovana nandritra ny roa andro. Anisan’ny disadisa nilam-bahaolana nandritra ity fihaonana ity, ny tsy nahazoan’ireo mpiasan’ny CER sy ny CED niara-niasa tamin’ny CENI teo aloha ny karamany sy ny tombontsoany.

Raha manerana ny nosy dia mitentina 3.400 tapitrisa Ariary io trosa tsy voaloan’ny CENI tamin’ny mpamatsy azy sy ny mpiasany io. “Efa nilaza ny fahavononany handoa io trosa io ny fanjakana tetezamita, efa eny amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola ny raharaha”, hoy Rtoa Atallah Béatrice. Dia miandry izahay amin’ny fandoavana ny volanay, hoy kosa ireo CER, CED, CEC ary ny filoham-pokontany. Ho an’ny CER dia mahatratra 6 hetsy Ariary isam-bolana ny volany ho an’ny filoha, 5 hetsy Ariary ny lefiny ary manodidina ny 3 hetsy Ariary ny mpikambana tsotra tsy voalohan’ny CENI teo aloha, ka efa mananiky ny 14 volana izao no tsy nahazoan’izy ireo izany. Ho an’ny CED kosa 4 hetsy Ariary ny filoha 5 alina sy 3 hetsy Ariary ny lefiny ary manodidina ny 5 alina sy 2 hetsy Ariary ny mpikambana tsotra ny azy ireo no mbola tsy voaray ; ireo rehetra ireo anefa dia miampy ny teti-bola fampandehanan-draharaha voatery natao trosa tamin’ny mpamatsy ny CED mitentina manodidina ny 3 tapitrisa Ariary teo ihany koa. Manginy fotsiny ny iray hetsy Ariarin’ny CEC sy ny filoham-pokontany 5 alina Ariary izay tsy voarain’izy ireo efa dimy volana izao.

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Actualitテゥs

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgテゥtaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera ツォ Boeing ツサ

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

窶彭テゥcanteur Pulsator II窶� Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin窶冢y masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT