Actualités

Ekipa « fair play » Hampihavana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena


  • Sabotsy 11 Febroary 2017

Hampivondrona ny malagasy amin’ny alalan’ny baolina kitra izay mpanjakan’ny fanatanjahantena, hoy ry zareo avy eo anivon’ny ekipa “fair play”,

 na ilay hoe ekipan’ny fampihavanam-pirenena eo amin’ny resaka baolina kitra ivondronan’ireo mpanao politika. Tsy niala fa tazana hatrany ato anatin’ity ekipa ity daholo, raha ny fanazavana, ireo firehana rehetra, toy ny Vahoaka miray, ny Tiako I Madagasikara, ny Arema, ny vondrona Mapar ary ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara. Omaly moa no nifampiarahaba tratry ny taona tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny ekipa ary nilaza izy fa mino sy manantena fa ny fanatanjahantena no anisan’ny fitaovana mahomby indrindra hamitrana ny fihavanana eto amin’ny firenena. Tao anatin’izay 6 taona nijoroany izay moa dia manam-pikasana ny hampivelatra ny hetsiky ny ekipa amin’ny fanohanana ny asa soa toy ny ataon’i Mompera Pedro ny ekipa “fair play”. Maitre Kira sy Michel ary Abdou moa no mpanazatra an-dry zalahy ireto.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT