Actualités

EKAR Maria Mpanampy Soanierana Sempotry ny lakrimozenina ny iray Fiangonana


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Nibosesika namonjy varavarana nanavotr’aina hivoaka ny fiangonana ny kristianina vokatry ny fofona manempotra tao am-piangonana. Ireo tonga hamonjy lamesa tamin’ny 9ora sy sasany ao amin’ny EKAR Maria Mpanampy Soanierana-Antananarivo no lasibatry ny fofona lakrimôzenina ity.

 

 Folo minitra nialoha ny fanombohan’ny lamesa no niseho ilay tranga. Nisy nisafidy ny lalana nody, nifampisisika ny fivoahan’ny fiara avy ao an-tokotanin’ny fiangonana. Maro ihany anefa ireo kristianina niverina tao am-piangonana rehefa lefilefy ny fofona. Vetivety foana dia tonga teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mahamasina, niampy ny avy amin’ny Hery vonjy taitra (FIP) ary ny zandary avy ao Ankadilalana. Kolonely iray no niezaka nampitony ny kristianina. Afaka nanomboka ihany ny fotoam-pivavahana taorian’izay na tsy ampy fifantohan-tsaina aza. Rehefa vita ny lamesa no nanazava ny mompera nitarika ny fotoana, fa niainga avy ao amin’ny tranona mpitandro ny filaminana iray ao atsinanan’ny fiangonana ilay fofona manempotra. Nolalaovin’ny zanak’io mpitandro ny filaminana io ny lakrimôzena tao an-tranony (?), ary latsaka tao an-tokotanin-dry zareo ka nipoaka. Niparitaka ny setroka, ka io no tafiditra tao am-piangonana rehefa tsofin’ny rivotra ary nanempotra ny mpiangona. Maro no mametra-panontaniana nanoloana ity tranga teny amin’ny EKAR Maria Mpanampy Soanierana ity hoe : ara-dalàna ve ny fisian’ny grenady krimôzena any an-trano ? Ahoana ny fanaraha-maso azy ireny ? Tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa mba hafahafa ihany izany grenady tonga eny am-pelatanan’ny ankizy toy ny kilalao izany.


Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT