Satam-pirenena kandida amin’ny fitantanana mangarahara no misy an’i Madagasikara ankehitriny eo anivon’ny «Initiative pour la Transparence des Industries Extractives» iraisam-pirenena.
Fanamby miandry antsika kosa ny sata mifanaraka sy manaja ny fenitra ny fitantanana mangarahara ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Fepetra fito no takiana amin’io fanasokajiana vaovao io. Eto Madagasikara mandritra ny 3 andro ny filohan’ny EITI iraisam-pirenena Clare Short. Ity no fitsidihana voalohany taorian’ny fanalana ny fampiatoana ny firenena Malagasy ny volana jona 2014. Hijery ifotony ny zava-misy marina eto Madagasikara momba ny fampiharana sy fanajana ireo fepetra mifehy ny fikambanana mivoy ny mangarahara eo anivon’ny orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany ity delegasiona avy niatrika ny herinandron’ny EITI tao Congo Kinshasa ity. Handray anjara amin’ny atrikasa karakarain’ny EITI Madagasikara anio moa ity lehiben’ny EITI iraisam-pirenena ity. Hivoaka amin’izany ny vokatry ny fanadihadiam-pitantanana mangarahara momba ireo fahazoan-dalana mitrandraka harena ankibon’ny tany eto Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.