Actualités

Education civique Havadika ho taranja iray mihitsy amin’ny 2020


  • Zoma 02 Martsa 2018

Betsaka ny mpianatra Malagasy ankehitriny no tsy mahalala fomba intsony.

 
 Tsy manao mbay lalana rehefa mandalo olona, tsy manome toerana ireo olon-dehibe  rehefa mahazo seza, tsy mahay manaja ny hafa. Miha ratsy fitondran-tena rehefa miha lehibe, maro ny tranga fahita isan’andro eny anivon’ny fiaraha-monina manaporofo fa efa tena very mihitsy ny maha olom-pirenena vanona sy tompon’andraikitra. Raha araka ny nambaran’Atoa Tsitoara Serge Thierry, talen’ny teknolojia sy ny fampitam-baovao eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena anefa dia tsy foana akory sanatria  ny fanabeazana maha olona hatao  any an-tsekoly fa mbola tena misy. Tsy taranja iray manokana izy io fa hampidirina anatina taranja toy ny tantara sy ny jeografia ka any no hamoaboasana azy amin’ny mpianatra.  Efa eo an-dalam-panavaozana izany ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity ka amin’ny fivoahan’ny fandaharam-pianarana vaovao amin’ny taona 2020 dia havadika ho taranja iray mihitsy ny fanabeazana maha olom-pirenena (Education civique). Ho ana sekoly maromaro nanaovanay fanadihadiana teto an-drenivohitra moa dia nanambara izy ireo fa efa ezahina hampidirina anaty taranja rehetra mihitsy ny fanabeazana maha olom-pirenena ankehitriny, hisorohana ireny karazana tranga mampalahelo  miseho eny anivon’ny fiarahamonina ireny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT