Nanokatra lalam-piofanana vaovao indray mba hahazoan’ny tanora malagasy afaka mifaninana tsara amin’ny any ivelany mba tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa sy hanamora amin’ny fitadiavana asa hiteraka fampandrosoana ho an’ny firenena ny oniversite Accem tantanan’ny filoha mpanorina Ratrema William.
“Economie de developpement” no anaran’io lalam-piofanana vaovao io ary hiompana amin’ny fanarahana fenitra takiana amin’izao fotoam-pandrosoana izao. Karazana tsangambato amin’ny fankalazan’ny vondrom-panabezana Aceem ny faha-30 taonany ny fanokafana ity lalam-piofanana ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.